4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izany no fiainana iainana aty - Lolo sy ny tariny

Nananika ny tohatra sy havoana marobe
Nitety lohasaha nanaraka arabe aho
Izay vao tonga e!

   Nanangona ny ora ho lasana andro maro
   Nanangona ny andro ho lasa taona maro aho
   Izay vao tonga e!

Sarotra ny làlana mitondra ampiadanana
(Mitety Lakilasy sy mandrovi-pataloha
Eny ambony dabilio a!)2
ha!ha!ha!ha!
ha!ha!ha!ha!

   Ao ampaosiko ao kanefa misy Bibilava
   Bibilava ngoza be Bibilava noana lava
   Tsy ho voky

Nisy ireo nijanona nanambitamby ny azy
Ka ny fianarana nanjary vazivazy
Ka tsy tody

   Tsemboka ny andrina vao mba nihinankanina
   (Nanao batilazy sy nandrovi-pataloha
    Teny antsisin'ny arabe)2
   he!he!he!he!
   he!he!he!he!

[(Izany no fiainana hiainana aty)2
Fiainana mifono Taratasy]bis
(Taratasy mankany aminay)2
(Feno soratsoratry ny olo-mahay)2
Ka mandidy (tsy refesi-mandidy)2
hi!hi!hi!hi!
hi!hi!hi!hi!

   Misy anefa ireo tsy mba nianatra firy
   Tsy mba niezaka tsy mba nikiry
   Dia tafita

Niandry ny (Dada)2ny ho faty
Niandry ny (Neny)2ny ho faty
Dia tafita

   Miandry ny lova be tonga ny lova be
   (Nandihindihy nandany vola
   Any anaty Trano be)2
   he!he!he!he!
   he!he!he!he!

[(Izany no fiainana hiainana aty)2
Fiainana mifono vola taratasy a!]bis
(Vola taratasy tsy anananay)3
Fa lafo vidy (fa tena lafo vidy)2
hi!hi!hi!hi!
hi!hi!hi!hi!

   Nananika ny tohatra sy havoana maro be
   Nitety lohasaha nanaraka arabe aho
   Izay vao tonga e!

Partager izany no fiainana iainana aty

Commenter izany no fiainana iainana aty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite